"...Mino sy mivelona ny Fitiavan'Andriamanitra"
Le 10/09/2008
Misaotra tamin'ny tranonkala DIASPORA SAINT JO
tena mahafinaritra be
Tohizo
Mankasitraka
Mandrampihaona
Marc
Le 08/09/2008
Miarahaba antsika rehetra. Misaotra indrindra mizara ny vaovao rehetra.
Ary koa faly milaza aminareo fa tena mankasitraka ilay site an'ny diaspora saint-jo hitako taminy ito rohy ito http://diaspora-mahamasina.fr.gd
tena mahafinaritra
misaotra betsaka
Mandrampihaona indray
andry
Le 18/08/2008
Miarahaba antsika mpamaky ,mba manontany eto raha mba misy afaka manome vao² mikasika ny sekoly fa be dia tokoa ny mpianatra tao no mifanena aty an-tany lavitra aty ka te-haheno ny momba ny sekoly raha misy, na sary fotsiny koa aza fa manina é .Dia misaotra betsaka mialoha
Le 21/04/2008
faly miarahaba anreo rehetra izay mamangy ity takelaka ity, mampahatsiaro ny lasa sy ny tsara rehetra niseho tao ampiangonana hatram'izay. ny tompo hitahy antsika rehetra. mahatsiaro foana na dia aty lavitra be aty aza. mankasitraka izay nanao ity site ity. nina ancienne TAKRIKA.
Le 01/12/2007
Faly miarahaba anareo amin'ny anaran'ny Tompo. Faly be satria izao vao mba afaka mitsidika ity tranokalan'ny fiangonantsika ity. Dia tena mahafinaritra tokoa ilay izy sady ahafahana mahafatatra zavatra maro. Misaotra betsaka ireo namorona azy. Misaotra an'Andriamanitra koa noho ireo fahasoavana maro natolony antsika. Md Josefa anie hivavaka ho antsika kristianina rehetra hatrany. Dia mazotoa mitsidika ny site fa ny an'ny vahiny aza tsidihina koa vao maika fa ny an'ny tena e!
Le 25/09/2007
Mankasitraka ho an'ireo rehetra mpitsidika ny site n'ny fiangonana. Fisaorana manokana ho an'ny Tompo noho ny fahavitan'ny batemin-janakay tao @ eglise st Joseph ny 11 août 2007 lasa teo, misotra manokana ho an'ny pretra zay nandray sy nanatontosa ny sakaramenta, ny chorale ODAM.. Zahay tsy manadino ny fiangonana eny na de aty tany lavitra aza. misotra o!
Le 25/09/2007
Adino!! misaotra betsaka an'i Richard ao @ ODAM... t@ lamesan'ny le 11 aout io e! hoy i AINA zanaka anabavin'ni NONO ihany. merci merci
Le 19/07/2007
MIARAHABA ANAREO KOMITIM-PIANGONANA.
ARAKA NY HEVITRO DIA TSARA RAHA AJANONA AMIN'IZAY NY FANAOVANA NY TATITRA ARA-BOLA AO AM-PIANGONANA FA ATAO AN-TSORATRA KA AFFICHAGE AO AMIN'NY SECRETAIRE NO ATAO NOHO IRETO ANTONY IRETO :
1-RAHA JEREKO DIA 20% n'ny TAUX DE PENETRATION na ny olona mihaino sy mandray ny rapport financier ao am-piangonana;
2-TSY TSARA RAHA AO AM-PIANGONANA NO HANAOVANA IRENY SADY HENOINA FOTSINY SATRIA NY NORME COMPTABLE DIA ATAO AN-TSORATRA IRENY MBA HAHITANA AZY.
3-LASA OHATRY NY REUNION DE CONSEIL D'ADMINISTATION NY FARAN'NY LAMESA
MISAOTRA ARY MAMPORISIKA ANAREO HAZOTO HATRANY SY MIDERA NY FAHAFOIZAN-TENANAREO
Le 30/05/2007
Eh, mahatsiaro ny fanaovana litorjia sy famonjena lamesa tao isa-maraina sy isan-kalahady 30 taona lasa izay. Kartie fahaenina izahay tamin'izany satria na niala teny Mahamasina aza dia tsy nahafoy an'i Md Josefa. Reninay sy ny lahiaivonay tamin'ny 2003 sy 2005 mbola tao no natao veloma farany.
Mahereza daholo, mahereza eo amin'ny sahan'ny Tompo.
Le 20/04/2007
Arahabaina nahasokatra site Internet! Faly tokoa izahay aty ivelany aty mamangy azy, toy ny mamangy anareo rehetra. Manampy hitondra am-bavaka bebe kokoa anareo sy ny Fiangonana ary ny Firenentsika rehetra. Mirary fahombiazana tanteraka e!
Le 15/03/2007
Md.Josefa, mivavaha ho anay.Misaotra anareo rehetra mitoto sy mahandro isan'andro noho ny Fitiavana an' Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana. Hahafotsy sy hahamasaka hatrany anie ianareo noho ny vavaka ataon'i Md Josefa. Mirary soa e.
Le 28/02/2007
Tena mahafinrira sady mahavelom-bolo tokoa ny fisian'izao tranon-kala izao.
Mahaiza ary isika kristianina manararaotra izany sady fanomezam-pahasoavana ho antsika izao, ka aza lavina fa raiso ao amin'i Tompo.