Créer un site internet

MDMK -Tatitra 2011

Mpiray dinidinika miara-miaina amin'i Kristy

MDMK - Giropy EKAR Md JOSEFA MAHAMASINA

 

Miisa 76 amin'ny ankapobeny ny mpikambana ato amin'ny MDMK Giropy Mahamasina fa 45 ihany no tonga mifandimby mivory na manao adidy fa ao moa ny antitra sy osa, ny nifindra toerana, ny tsy hitahita ary ny tsy mbola hita mihitsy raha tsy indray na indroa mandrha hatramin'ny nahatafatsangana ny MDMK nanomboka ny Desambra  2008.

Eo amin'ny faharetana

  • Ruban Volamena: 7
  • Ruban Volafotsy: 11
  • Ruban anga (maharitra): 44
  • Ruban Maintso (Voafetra): 9

Ny sisa izany dia tsy mbola nandray Ruban. Mirafitra toy izao ny KPG na ny Komity Mpitantana ny Giropy

  • Filoha: 3
  • Mpitantsoratra: 1
  • Mpitambola: 1
  • Mpanolontsaina: 2

Miampy mpanolontsaina iray isaky ny faritra ary "membre d'office"-ny Komity ireo Birao teo aloha.

Nahazo zoky am-panahy koa izahay dia i Soeur Yolande RABERANTO.

Toy izao sy izao àry ny fiainan'ny Fikambanana MDMK nandritra ny taona 2011:

  1. Tamin'ny fankalazana ny fetin'ny Notre Dame de Lourdes ny Alahady 13 Febroary 2011 no nandraisan'ny mpikambana 2 (roa) ny Ruban Maintso (famehezan-tena voafetra). Mpikambana 3 (telo) kosa no nakalaza ny faha-25 taona naha-MDMK azy ka nandraisan'izay ireo ny Ruban Volafotsy nandritra io fotoana io.
  2. Aim-panahin'ny fikambanana:
  • Famonjena Lamesa isan'andro sy ny Alahady
  • Fandraisana ny Eokaristia
  • Fanaovana ny Ofisy isaky ny Sabotsy maraina aorian'ny Lamesa
  • Fanaovana Ranombavaka isaky ny Sabotsy voalohan'ny volana
  • Fiainana ny Soratra Masina
  • Fifampizarana ny Tenin'Andriamanitra izay niainana nandritra ny volana ary tanterahina isaky ny Sabotsy faran'ny volana aorian'ny Ofisy
  • Fiofanana omen'ny Distrika

    3. Fanamasinan-tena:

  • Recollection: nataon'ny Giropy tamin'ny 30 Janoary 2011 tao amin'ny Sekoly Providence. Ny foto-kevitra tamin'izany dia ny hoe: "Inona no anaporofoanao fa MDMK ianao?  Araka izany dia  noraisina sy nodinihina ny Tenin'Andriamanitra nalaina tao amin'ny Evanjelin'i Md Matio 1, 39-56 izay mahakasika ny resaka nifanaovan'i Masina Maria sy i Elizabeta. Tsapa tamin'izany fa fiarahabana sy hafaliana no vokatry ny fihaonana. Ka tsapanao MDMK ve ny lanjan'ny antso novalianao tamin'ny Eny? Nitondra hafaliana ho anao ve izany? Teto no tena nohalalinina ka nankahery tamin'ny fanazavana momba ny nandraisan'i Masina Maria fitenenana tao amin'ny Baiboly ny Pretra sy namaly ny fanontanian'ny mpikambana momba ny fihaonana na ny maha-zava-dehibe an'izany. Ka nofintinina tamin'ny hoe: Isika Kristianina rehetra dia fitaovana ihany: manentana, manomana, mamporisika, mikaroka,... fa ny mampibebaka ny olona dia asan'Andriamanitra ihany. Koa tsarovy àry fa raha antsoin'Andriamanitra ianao dia misy ilan'ny Tompo anao!
  • Vavaka hasivian'andro sy triduum mialohan'ny fetin'ny Notre Dame de Lourdes
  • Pélérinage: 

         -Tamin'ny Sabotsy 07/05/11 teny Ambatofotsy gara izay niarahana tamin'ny VEA;                                                                                                                - Tamin'ny 28/05/11 teny amin'ny Capucin Ambohimalaza: fanaovana Ofisy sy Raozery, Lamesa ary fifampizarana Tenin'Andriamanitra no nandravaka ny fotoana. Ny Evanjelin'i Md Matio 11, 28-30 no Tenin'Andriamnaitra nentina nifampizarana ka anisan'ny nisarika ny maro ny finoana fa Izy Andriamanitra irey ihany no afaka manamaivana ny fahorian'izay rehetra miankina Aminy.

  • Ny laretirety dia notanterahina tamin'ny 1-2-3-4 Desambra 2011 lasa teo teny amin'ny Maison de Retraite Saint Ignace Analamahitsy ka toy izao manaraka izao ny tatitra fohifohy momba izany: 10 ny mpikambana nahatontosa ny laretirety nandritra io fotoana voalaza etsy ambony io, ary ny RP Cyrille RASOLO ny Prédicateur tamin'izany. Bt fampianarana nentina hanampy amin'ny fandinihan-tena sy ny fibanjinanana masina moa dia niompana tamin'ny "Fiavian'ny Tompo" ka nametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona marina no ankalazaintsika amin'ny Fiavian'ny Tompo? Inona kosa no ezaka ataontsika mandritra ny Fiavian'ny Tompo? Iza no mpitantana antsika amin'izany Fiavian'ny Tompo izany?                                                                                Nojerena tao ihany koa ny maha-kristianina antsika: isika kristianina dia lalivain'ny fiaraha-monina, fanasin'ny tany sy fahazavan'izao tontolo izao, mino an'i Jesoa, mahatana ny teniny, mahafantatra ny marina ary tonga olona afaka (Jo 8, 30-36).

          Ary farany dia nisy ny fampianarana momba an'i Masina Maria: Virjiny mandrakizay izy.

4. Andraikitra raisin'ny mpikambana eo anivon'ny fiangonana:

Maro amin'ny mpikamba no: Filan-kevitra Pastoraly, Miasa amin'ny Vaomieran'Asa pastoraly, Filohan'ny APV, Mampianatra Katesizy, Mizara Kômonio ho an'ny marary, Manana anjara herinandro fanentanana (liturgie, voninkazo, fafa-trano, ets), Fanentanana ny Lamesa amin'ny andro fety toy ny Sampakazo, Ascencion, Assomption.

5.Asa Sosialy:

  • Fandraisana anjara amin'ny hetsika ataon'ny Distrika sy ny Diosezy
  • Famangiana sy fanampiana ireo sembana eny Tongarivo
  • Famangiana ny marary eny amn'ny hôpitaly
  • Fanampiana ny seminera zandriny eny Ambohipo
  • Famangiana sy fanampiana ireo mpikambana antitra marary
  • Fanolorana solom-bodiakoho ho an'ireo zokiolona amin'ny fotoana fifampiarahabana amin'ny tonon-taona

6. Adidy isan-karazany:

  • Latsakemboka Giropy: 2000 Ariary isan-taona; Nasionaly, Diosezy, Distrika: 1000 Ariary isan-taona.
  • Rakitra ho an'ny Seminera sy sosialin'ny fikambanana isaky ny Sabotsy aorian'ny Ofisy
  • Fitadiavam-bola: 24/07/11 Déjeûner récréatif

7. Fivoriana sy hetsika iarahana amin'ny Nasionaly, Diosezy, Distrika:

  • Grande communauté eo anivon'ny Nasionaly.

Tontosa soamantsara ny Assemblée Générale izay natao tamin'ny 29 Janvier 2012 lasa teo ka toy izao ny tatitra fohifohy momba izany:

Toerana: Salle d'Oeuvre ambony. Isan'ny tonga: 45

Natomboka tamin'ny vavaka izay notarihan'ny Filoha I ny fotoana, avy eo dia niditra avy hatrany tamin'ny fampatsiahivana ny tokony hatao amin'ny fankalazana ny etin'ny otre Dame de Lourdes sy ny tetiandro, recollection, fifidianana, sns.. Vita izay dia nitondra ny tatitry ny zava-bitan'ny fikambanana nandritra ny telo taona (2009 à 2011) ny mpitan-tsoratra. Avy eo moa tonga ny Pretra ary dia nisolo tena ny mpikambana niarahaba azy ny Filoha I. Taorian'izay dia niroso tamin'ny tatitra momba ny évaluation izay natao teo anivon'ny Fikambanana ny Filoha I sy II. Tsapa tamin'nizany fa mbola maro ny ezaka tokony hataon'ny mpikambana tsirairay sy ny mpitondra ato amin'ny fikambanana mba hampandroso bebe kokoa hatrany ny fikambanana.

Nisy ihany koa ny famelabelarana nentin'ny Mompera Curé: "ny anjara toeran'ny Lahika ao amin'ny Fiangonana".

Araka ny Vatican I: Foto-pampianarana momba ny Fiangonana: Fiangonana fahazavan'izao tontolo izao sy ny sori-dalana Asam-pamonjena ataon'ny Lahika no nitondran'ny pretra ny fampianarana.

  1. Iza no antsoina hoe "Lahika"?
  • Ny kristianina rehetra tsy mandray ny sakramentan'ny filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy.
  • Ireo kristianina rehetra ivelan'ny filaharana masina sy ny tsy ao anatin'ny fikambanan-drelijiozy.

     2.Ilaina ve ny asam-pamonjena ataon'ny Lahika?

  • Ireo lahika tafavory amin'ny vahoakan'Andriamanitra dia voaantso hanitatra sy hanamasina hatrany ny Fiangonana.   
  • Adidy iantsoana ny lahika: tonga hanatrika sy mirotsaka ao amin'ny Fiangonana.

     3.Inona no fototry ny asam-pamonjena ataon'ny lahika?

  • Ny Batemy sy ny Fankaherezana: ireo no mahatonga ny lahika handray anjara ao amin'ny asam-pamonjena ataon'ny lahika eo anivon'ny Fiangonana

     4. Inona no asa?

  • Fandraisan'anjaran'ny lahika amin'ny maha-mpisoron'i Kristy azy? Misaotra sy manolotra ny andro amin' Andriamanitra.
  • Fandraisan'ny lahika anjara amin'ny maha-mpaminany azy? Olona manambara ny Fanjakan'Andriamanitra ary mampiseho izany amin'ny fiainany.
  • Fandraisan'ny lahika anjara amin'ny maha-mpanjaka an'i Kristy? Mahafoy tena ho an'ny Fiangonana, masim-pianana ho enti-mandresy ny fahotana. Fanjakan'ny fahamarinana, fahamasinana, fitiavana. Manao ny rariny.

Tonga tao amin'ny fivoriana koa moa ny Père Aumônier nasionalin'ny MDMK izay nitondra fanazavana fohifohy momba ny sata, ny karisma, fy fombam-iainana ary ny asa takiana amin'ny MDMK, ka toy izao izany raha fintimpintinina:

Karisama: fifandraisana manokana amin'i Jesoa (relation personnelle avec Jésus).

Fombam-piainana: ankohonana mandanjalanja (une communauté qui discerne). Mijery hoe: inona no tian'Andriamanitra ataontsika (discernement spirituel recherche de la volonté de Dieu)

Asa takiana: (mission de MDMK) tsy voafaritra.

 

Avy eo dia niroso tamin'ny fiaraha-misakafo ny fotoana ka nofaranana tamin'ny fifanakaozana mari-pahatsiarovana ho an'ny taona vaovao.

Izay sy izay àry ny zava-bitan'ny fikambanana amin'ny ankapobeny nandritra iny taona 2011 iny sy tamin'ny voalohandohan'ny taona 2012 teo.

Koa mankahery ny mpikambana tsirairay hatrany hazoto hampiroborobo sy hampivoatra ny fikambanana miaraka amin'ny Jesoa sy Masina Maria.

Ho aminsika rehetra anie ny Fiadanan'ny Tompo!

Natao teto Mahamasina, androany faha-10 Febroary 2012

Ny Filoha,                                                                       Ny mpitan-tsoratra,

RAZAFINDRATSIMBA Germaine                                      CAROLE Napoke

 Lien Bureau 2009 >>>

Commentaires (1)

1. P.AUMONIER MDMK DIOSEZY 07/05/2012

Bjr, misaotra betsaka fa tsara ny ezaka ataonareo MDMK eto @ paroasy Md Josefa Mahamasina. Fa jereo akaiky ny mission ntsika fa misy io: toy ny hoe miahy ny madinika symahantra.... Mahereza!

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site