MDMK [Mpiray dinidinika miaraka @ i Kristy]

Ny Alahady 14 Febroary no nankalaza niaraka tamin'ny Fiangonana ny tsingerin-taona nisehoan'i Notre-Dame de Lourdes (mpiaro manokana ny fikambanana) tamin'i Bernadette Soubirou tao Massabielle ny Fikambanana MDMK'ny Paroasy tamin'ny alalan'ny sorona masina notarihan'ny RP Curé Fréderic Ratovoson tamin'ny 6h30 maraina.

Noararaotina io fotoana io hanoloran'ny Fikambanana olona telo ho mpikambana vaovao ka nanao ny famehezan-tena tamin'i Masina Maria teo anatrehan'ny Fiangonana izy ireo, ary notsofin'ny Mompera rano mba hitàna ny teny sy ny toky nomeny: Rtoa Rajoma Blandine nanao toky ho amin'ny fotoana voafetra, ary Rtoa Razafintsoa Marcelline sy Atoa Befourouak William kosa ho amin'ny fotoana tsy voafetra, izany hoe mandra-maty.

Taorian'ny sorona masina dia nisy fiaraha-misakafo maraina natao tao amin'ny Salle d'Oeuvres ambony, izay notronin'ny Pretra roalahy (Vicaire dominical Joda) sy ny solon-tenan'ny Distrika sy ny MDMK Nasionaly, ary nanaovana tatitra mikasika ny fiainan'ny fikambanana narahana fifanankalozan-kevitra.

[...Voir reportage photos]

 

Ireto atolotra manaraka ireto ireo mandrafitra ny Biraon'ny MDMK Mahamasina voafidy ny taona 2009:

Présidents:

  1. Germaine Razafindratsima
  2. Jean de Dieu Rakotondramanana
  3. Hanta Ravololomboahangy

Secrétaires:

  1. Napoke Carole
  2. Monique Rakotofiringa

Trésoriers:

  1. Befourouak William
  2. Gisèle Rabotoson

Conseillers:

  1. Delphine Razafindrabary
  2. Edmée Iharijaona Rakotomalala
  3. Vonjy Harison
  4. Jean Baptiste Andriamparany

Dia mirary fahombiazana ho azy ireo isika mianakavy!

 

TATITRA TAONA 2010 >>>

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site