MDMK - Tatitra 2016

Tatitry ny zava-bitan'ny Fikambanana - Taona 2016

Raha ny tsapa aloha dia nihena ny isan'ny mpikambana mamonjy fivoriana na fihaonana rehetra. Ny hita ao amin'ny lista hatramin'izay dia miisa eo amin'ny 50 eo ho eo. Fa eo amin'ny 30 isa no manao adidy, ary tsy mahatratra 20 isa akory no tena maharaka fivoriana, na Ofisy, na fiofanana, na Recollection, na Laretirety, na fitsangatsanganana aza, na main'izay fiombonana rehetra miaraka amin'ny Distrika, VEA, Diosezy, Nasionaly sns...

3 mirahavavy no nahavita famehezan-tena: 2 voafetra, 1 maharitra, ary 1 nanao jobily volafotsy. Velona, miaina ny fiainan'ny MDMK mpanao Asa Apostolika na Asa Famonjena mifototra amin'ny aim-panahy hatrany anefa ny Fikambanana, ary niezaka araka ny AID, AIAD, AIN, ary ny AIE. Ka tsy nanao ambanin-javatra ny fifanabeazana sy nanao izay tratra amin'ny fanampiana ireo sahirana hiadiana amin'ny fahantrana. Ka raha fintinina izany ny fiainan'ny Fikambanana sy ny zava-bitany nadritra ny taona 2016, dia toy izao:

1. Aim-panahin'ny mpikambana sy ny Fikambanana:

  • Famonjena Lamesa isan'andro sy ny Alahady
  • Fandraisana ny Eokaristia
  • Fanaovana tsy tapaka ny Ofisy isaky ny Sabotsy aorian'ny Sorona Masina maraina
  • Fanaovana Ranombavaka isaky ny Asabotsy manaraka ny Zoma voalohany mandritra ny Sorona Masina maraina
  • Fibanjinana sy fiainana ny Tenin'Andriamanitra araka ny fampiasam-panahin'i Md Ignace de Loyola, tokony isan'andro ho an'ny isam-pikambanana sy ny fifampizarana ny Tenin'Andriamanitra isaky ny Sabotsy faha-3 ny volana.
  • Rojom-bavaka notsoahina tamin'ny vavak'i Mb Thérèsa avy any Avila ho fanomanana ny fifidianana Birao vaovao tokony natao tamin'ny Desambra 2016
  • Vavaka fandinihana ny fahasoavana sy ny fahotana araka ny Fampiasam-panahin'i Md Ignace de Loyola (examen de conscience tokony isan'andro)
  • Vavaka Neuvaine noho i Md Jacques Berthieu ho fanorenana ny Bazilika Ambiatibe
  • Fanaovana sapile isan'andro ay Raozery izay iarahna amin'ny Paroasy nanomboka tamin'i RP Basile ny Sabotsy hariva
  • Fiofanana nomen'ny avy any amin'ny  
  • Distrika tamin'ny 30/04/16 teto  Mahamasina                                                                                                                                                  
  • Diosezy tamin'ny 12/03/16 teny Ambohimirary,
  • Tamin'ny Rtoa Terezy tamin'ny 18/06/16 teto Mahamasina,
  • Tamin'i Frera Etienne tamin'ny 10/12/16 teto Mahamasina.

Ho fampatsiahivana hatrany ny 25 Mars, ny fiainan'i Masina Maria, ny soridalana (Fiangonana, MDMK), ny fiaraha-miombon'antoka eo amin"ny Fikambanana, ny Fomba fanaovana fibanjinana samirery ny Tenin'Andriamanitra, fanitsiana amin'ny fanaovana Ofisy, sns...

2. Fanamasinan-tena:

  • Recollection tamin'ny 06/02/16 teto Mahamasina notariin'i Sr Yolande, ny 01/10/16 tetp Mahamasina notarihin'i Frera Tsiferana
  • Vavaka hasivian'andro sy Triduum mialohan'ny fetin'ny Notre Dame de Lourdes.
  • Pélérinage:tamin'ny 21/05/16 teny Soavimbahoaka, fiaraha-mivavaka tamin'ny olon-tsambatra Raphael louis Rafiringa
  • Laretirety telo andro nihipoka, niditra 10 Novambra ka hatramin'y 13 Novambra 2016 teny amin'ny Centre Spirituel Ignace de Loyola Analamahitsy notarihin'i RP Christophe, aomonie nasionaly, ka namohazana ny tanjom-pahariana amin'ny alalan'ny famaliana fanontaniana maromaro toy ny hoe: hatraiza ny fitomboko ara-panahy, amin'ny maha-olona feno ahy (saina, fo, fanahy, vatana)?

Ny maha-MDMK dia "vocation", ka fomba nanao ahoana no namaliako ny antson'Andriamanitra? Hatraiza ny fahavononako miaino ny Tompo? Inona ny mbola tsy ampy amiko, entiko manatanteraka ny sitrapony ho Fiderana sy Fanajana ary Fanompoana Azy ilay Nahary ahy, sns... I kristy no ivon'ny fiainam-panahin'ny MDMK, i Masina Maria no modely (Fampiasam-panahy ignasianina). Voatsiahy ny maha-olon'ny Finoana, ny Fiangonana, ny fiaraha-monina, ny Firenena ny MDMK ka anjarako ny manohy sy mampitombo izay notovoziko teny. Fa an'Andrimanitra irery ihany ny Dera sy Laza, ary ny Voninahitra mandrakizay.

3. Andraikitra raisin'ny mpikambana eo anivon'ny Fiangonana:

Maro amin'ny mpikambana no:

- Filankevitra Pastoraly

-  Filohana Faritra,

- Filohan'ny APV,

- Mikatroka amin'ny vaomieran'asa Pastoraly: Vaofafia, OPM, VALI

- Mpampianatra Katesizy

- Mizara Kômonio sy manatitra Kômonio ho an'ny marary,

- Manana anjara herinandro fanentanana (liturgie, voninkazo, fafa trano, ets...,

- Fanderaisana anjara tamin'ny hetsika sy fiainan'ny Fiangonana rehetra isan'ambaratonga

- Fanolorana takela-bato fahatsiarovana ny fankalazana ny faha-125 taonan'ny UC-ZMM, fototra niorenan'ny MDMK (1994) teto Mahamaina.

4. Asa sosialy:

  • Fandraisana anjara amin'ny hetsika ataon'ny Distrika sy ny Diosezy.
  • Famangiana sy fanampiana ireo sembana eny Tongarivo.
  • Fanampiana ireo havana any Atsimo tratry ny Kere,
  • Famangiana ny marary eny amin'ny hopitaly.
  • Fanampiana ny Seminera zandriny eny Ambohipo
  • Famangiana marary teny amin'ny Hopitaly Fenoarivo
  • Fanampiana sy famaniana ireo mpikamba antitra marary
  • Fanampiana manokaka mpikambana 02 sahirana: fanamboarana ny traon'nyu iray saika rava, fanampiana ny fiahin'ny mpikmbana iray ny ankohonany niatrika ny olana teoa amin'ny taniny tamin'ny FILATEX: fanampiana ara-bola tamin'ny fidiran'ny mpianatra sy fanomezana "fonds" hananganany varotra,
  • Fanampiana ara-bola ny mpikambana tsirairay tamin'ny saran'ny laretirety 3 andro mihiboka tamin'ny novambra
  • Fanolorana solombodiakoho ho an'ireo zokiolona amin'ny fotoana fifampiarahabana amin'ny tonon-taona
  • Fanampiana mpikambana tamin'ny Fankalazana ny 25 Mars sy fitsangatanganana tany Toamasina ny Avril.

5. Adidy isan-karazany:

  • Latsakemboka: 5.000 ariary isan-taona: mitsinjara ho an'ny - Nasionaly, Diosezy, Distrika ary ny Giropy, fa ny an'ny VEA dia 15.000 Ar isan-taona, isaky ny giropy nanomboka tamin'iny taona lasa iny.
  • Rakitra ho an'ny Seminera isaky ny Sabotsy voalohan'ny volana sy sosialin'ny Fikambanana: isaky ny Sabotsy aorian'ny Ofisy.
  • Fitadiavam-bola: nentin'ny fikambanana mihetsika: déjeuner récréatif tamin'ny 24/07/16

6. Fihaonambe niarahana amin'ny Nasionaly, Distrika, Diosezy tamin'ny:

- Fankalazana ny 25 mars eran'ny Nosy: zaikabe tany Tomasina tamin'ny Avril

- Fankalazana ny 25 mars eo anivon'ny Diosezy teny Antanimena tamin'ny 4 Jona,.

- Fankalazana ny andron'ny Distrika teny Tangaina tamin'ny 1 Desambra, sns...

Marihina fa nisy fanaraotana fotoana niarahana nitsangatsangana tany Foulpointe taorian'ny Fankalazana ny 25 Mars eran'ny Nosy tany Toamasina, ka nahatsapanay fa tena mampitombo ny firaisam-p eo amin'ny mpikambana. Izahay koa anefa dia efa nanokana fotoana ho an'ny "sorti" na fitsangatsanganana izay notontosainay tamin'ny Oktobra teny Tanambao Avaradano. Tena ilaina tokoa ny mba mivoaka mandeha mitsangatsangana, sady mampitombo ny fifankatiavana no afaka mifandray amin'ny hafa no sady mifoka rivotra madio sns..., satria ny fikambanana dia natao hivelaran'ny maha-olona manontolo: saina - vatana - fanahy.

Di izay raha fintinina ny zava-bita sy niainan'ny Fikambanana ny taona 2016. Isaorana an'Andriamanitra lehibe nanampy sy nitantana ary indrindra ny nanomezany anay tanora efatra (04) mianadahy ihany koa: Mbinina, Fita, Léa, ary Angeline nirotsaka ho mpikambana MDMK. Angatahina ny tsodranon'Andriamanitra izy ireo hiaina soa aman-tsara ny tanjona sy ny fombamù-piainana maha-MDMK.

Mankasitraka sy manka telina ny fiombonana sy fifanohanana nasongadintsika nandritra ny taona 2016.

Koa samia hotahian'Andriamanitra, hitombo ezaka hanao ny tsartsara kokoa hatrany, ary izany dia ho "Voninahitr'Izy Tompo irery ihany".

                                                                

Mankasitraka ê!

 

                    Ny Filoha,                                               Ny mpitantsoratra,

                   RAZAFINDRATSIMBA Germaine               RAHANTANIRINA Perline           

         

 Mpitantana ao amin'ny Birao MDMK

 

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site