MDMK: Tatitra 2010

Toy izao sy izao ny fiainan'ny fikambanana MDMK nandritra ny taona 2010.

  1. Tamin'ny fankalazana ny fetin'ny Notre Dame de Lourdes ny 14 Febroary 2010 no nandraisan'ny mpikambana 1 (iray) ny "Ruban" maintso ary mpikambana 2 (roa) kosa no nandray ny "Ruban" manga. Mpikambana 1 (iray) no nankalaza ny faha-25 taona naha-MDMK azy ka nandraisany ny "Ruban" volafotsy nadritra ny zaikabem-paritry ny Vikaria.
  2. Aim-panahin'ny fikambanana:
  • Famonjena lamesa ian'andro sy ny Alahady
  • Fandraisana ny Eokaristia
  • Fanaovana ny Ofisy isaky ny Sabotsy maraina aorian'ny lamesa
  • Fanaovana ranom-bavaka isaky ny Sabotsy voalohan'ny volana
  • Fiainana ny soratra masina
  • Fifampizaranana ny tenin'Andriamanitra izay niainana mandritra ny volana ary tanterahina isaky ny Sabotsy faran'ny volana aorian'ny OfisyFiofanana omen'ny Distrika: * 07/02/10 Ankazotoho

      3. Fanamasina-tena:

  • Recollection: Nataon'ny Giropy tamin'ny 24/01/10 tao amin'ny Sekoly Providence, izay nandalinana ny fomba fanajana an'i Masina Maria na ny "Dévotion Mariale" araka ny fampianaran'i Md Louis de Montfort azy. Misy karazany roa izany fanajana a'i Masina Maria izany dia ny "fanajana tena izy" na ny "vrai dévotion" sy ny "fanajana diso" na ny "fausse dévotion".

         Ny "fanajana tena izy" dia fanajana avy ao anaty, avy amin'ny fo sy ny saina ary ny fieritreretana; mampiezaka hiala amin'ny fahotana ary mampibebaka. Mampitombo fy fitokisana an'Andriamanitra ihany koa ary mampifikitra amin'ny marina sy ny hitsiny. Ny "vraie dévotion" dia maniraka ny olona hiantso an'i Masina Maria sy hangata-bonjy aminy, maka tahaka azy amin'ny finoana, fanantenana ary fitiavana.

         Ny "fanajana diso" kosa dia ahitana ireto toetra manaraka ireto: tsy afa-po (manakiana ny hafa), be tebiteby, tia sehoseho, matin-kambo, tsy mahatombo-tsiraka (inconstant), mihatsaravelatsihy, tia tena (tsy mahatsiaro mivavaka raha tsy hoe misy manahirana).

  • Vavaka hasivian'andro sy Tridium mialohan'ny fetin'ny Notre Dame de Lourdes
  • Pélerinage:

      * Tamin'ny 07/03/10 teny Antongona izay niarahana tamn'ny vovonan'ny olon-dehibe

      * Tamin'ny 22/05/10 teny Ambohimangakely, niaraka tamin'ireo MDMK teny an-toerana. Fanaovana Ofisy sy Raozery ary Lamesa no nadravaka ny fotoana, avy eo moa dia nisy ny fifampizarana ny fiainan'ny fikambanana teo amin'ny Giropy roa tonta ary tsapa tamin'nizay ny fahavitan'ny lagraoty eo an-tokontanim-piangonana. Hita taratra eo amin'ny fikambana ny firaisan-kina ka mahatonga azy miroborobo ary tsara halain-tahaka izany.

  • Laretirety

      * 30-31 janvier sy ny 1er fevrier 2010: laretirety ho an'ireo izay hanao famehezan-tena izay notarihin'i Soeur Marie Madeleine (ZAP teo aloha) ka nahitana ireto manaraka ireto: -

  • fanomanam-panahy;
  • Ny maha-tompon'andraikitra ny MDMK;
  • Fankaherezana hanao ny ezaka tsara;
  • Famerenana (répétition) ny famehezan-tena sy famerenan-kira.
  • 12-13-14/03/10: laretiretin'ny VEA teny Ambohimalaza izay notarihin'ny Pretra aomônien'ny Diosezy ka nanazavana ny lohahevitra tamin'ny 25 Marsa 2010 izay mahakasika ny "Fitiavana manokana ny mahantra". Nisy ihany koa ny fanazavana ny atao hoe MDMK izay sehatra iray entina manamin-tenabebe kokoa, tsy anavahana na lehibe na tanora kanefa ilaina ny mandinika, mandalina ary mamakafaka. Manana an'i Kristy izay loharanom-piainany ny MDMK sy manana an'i Masina Maria ho modeliny; ny fiainam-panhin'i Md Ignace no sori-dalam-piainana arahiny. Nandritra ny laretirety dia nisy koa ny fanazavana momba ny "Charisme" sy ny fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ny MDMK sy ny fampiharana izany. Ary farany, dia momba ny "Fibanjinana Masina samirery" no nasiam-panazavana ka solontena 24 no nanome ohatra momba ny fifampizarana.
  • 11-12-13-14/11/2010 laretiretin'ny Giropy izay natao teny amin'ny Maison de retraite Saint Ignace Analamahitsy ka ny Révérend Père Cyrille RASOLO no nitarika ny laretirety sy nitondra ny fampianarana izay nahitana loha-hevitra maromaro:
  • - Andriamanitra no loharana niaviana, fototry ny fiainana Izy;
  • - Ny zava-boahary rehetra eto ambonin'ny tany dia natao hanampy antsika hahatanteraka ny tanjom-pahariana antsika;
  • Hitako izao fa ny ho tia no anjara niantsoana ahy, eny hitako ny anjara toerako ao amin'ny Eglizy: ho fitiavana aho ao amin'ny Eglizy Reny malalako. "Mb Thérèse de l'Enfant Jésus".
  • - Ny anjara toeran'i Masina Maria eo amin'ny fiangonana sy eo amin'ny fiainantsika tsirairay avy;
  • - Ny vokatry ny Eokaristia
  • - I Jeso manasa ny tongotry ny Apostoly
  • - Ny dikan'ny fitsanganan-ko velon'i Jesoa Kristy ho antsika kristianina. 

      4. Andraikitra raisin'ny mpikambana eo anivon'ny fiangonana: Maro amin'ny mpikambana no:

  • Filankevitra Pastoraly
  • Miasa amin'ny vaomieran'ny asa pastoraly
  • Filohan'ny APV
  • Mpampianatra katesizy
  • Mizara Komonio sy manatitra Komonio ho an'ny marary
  • Manana anjara herinandro fanentanana (liturgie, voninkazo, fafa-trano, ets)
  • Fanentanana y Lamessa amin'ny andro fety toy ny: Sampakazo, Ascabsion, Assomption.

       5. Asa sosialy:

  • Fandraisana anjara amin'ny hetsika ataon'ny Distrika sy ny Diosezy.
  • Famangiana sy fanampiana ireo sembana eny Tongarivo (tamin'ny 23/01/10)
  • Famangiana ny marary eny amin'ny hôpitaly (1er/09/10)
  • Fanampiana ny seminera zandriny eny Ambohipo
  • Famangiana sy fanampiana ireo mpikambana antitra marary
  • Fanolorana solombody akoho ho an'ireo zokiolona amin'ny fotoana fifampiarahabana amin'ny tonton-taona.

      6. Adidy isan-karazany:

  • Latsakemboka Giropy 2000 Ar isan-taona; Nasionaly, Diosezy, Distrika: 1000 Ar isan-taona
  • Rakitra ho an'ny Seminera sy sosialin'y Fikambanana: isaky ny Sabotsy aorian'ny Ofisy.
  • Fitadiavam-bola: 15/08/10: Opération Cake

      7. Fivoriana sy hetsuka iarahana amin'ny Nasionaly, Diosezy, Distrika:

  • Grande Communauté eo anivon'ny Nasionaly
  • Fiofanana niarahana tamin'ny Distrika teny Ankazotoho tamin'ny 07/02/10 momba an'i Victoire Rasoamanarivo noho ny AID (Asa Iombonan'ny Diosezy): MDMK, ankohonana apostôlika ho Victoire Rasoamanarivo ankehitriny: miofana, mandanjalanja, miaina ny Sakramenta, mampahalala an'i Jesoa.

Faly koa izahay ankehitriny fa nahazo ZAP vaovao: Soeur Yolande raberanto.

 

Natao teto Mahamasina, androany faha-3 Febroary 2010.

Ny Filoha                                     Ny Mpitantsoratra

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site