Mpanetsiketsika ny fiaraha-monina

APV

« A.P.V miombona ao anatin’ny fahasamihafana »

*Tsiahy

 

Tanatin'ny famarananana ny 140 taonan’ny Fiangonana no nanaovana zavatra maro izay hita ny fahatsarany ka mbola tohizantsika hatramin'izao  ; satria dia mila zavatra matotra sy fiaraha-mientan’ny daholobe hatrany isika amin’ireo hetsika maro isan-karazany nataontsika

  • Mbola tohizina hatrany sy asongadina hatrany ireo hetsika ara-panahy sy ny fiainam-pinoana

 

  • Efa tafatsangana daholo izao ny APV rehetra isam-paritra ; dingana lehibe ho an'ny Fiangonana izany ka isaorana an'Andriamanitra ny nahavitany

 

  •  Efa voalaza matetika fa any amin’ny APV no ametrahana ny rafitra fototra. Any no isian’ny “année préparatoire” ho an’ireo ankizy izay miomana handray ny sakramenta

·        Lohahevitra : “ Ianareo no fanasin’ny tany...ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Mt5,13.14)

 

Fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay

1.  Ao an-tokantrano :   Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany; entanina ny isan-tokantrano mba hivavaka sy hiara-hivavaka

              

              -fampianarana ireo ankizy mba hiainana amin’ny fivavahana

              -fandalinam-pinoana izay ataon’ny Ray aman-dreny….

              -fampianarana ny fahalalam-pomba ny ankizy…

2.  Ao amin’ny APV :    Fiaraha-monina sy fiaraha-miaina isaky ny vaki-paritra

            

 -Firaisankina sy fifankatiavana ary fihavanana anatin’ny fahasamihafana

 -Fiaraha-mivavaka (manolotra ny Eokarisitia)

  -Filohan’ny APV sy Vaki-paritra no manentana amin’izany

 

* Tsy mivory matetika. Tsy manao fivoriana lavabe.

 

3.  Ao amin’ny faritra : -Fiaraha-mientan’ny daholobe ao anatin’io faritra io

                                    -Ny lehiben’ny faritra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny faritra misy azy avy

                                    -Indrindra fa mikasika an’ireo fanentanana isan-karazany (adidy, andraikitra, asa sosialy, liturgie, fiainam-panahy)

* Takiana ny fiaraha-miasa, misy eo amin’ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny APV ary ireo mpiandraikitra ny vaki-paritra sy ireo kristianina eo amin’ny faritra

* Ireo lehiben’ny faritra ireo moa, dia hanara-maso ny fandrosoan’ny faritra tsirairay avy. Hampita ireo asa na tetik’asa na fanentanana miainga amin’ny fivorian’ny filankevitra pastoraly eto amin’ny paroasy. Misy ireo Olomasina mpiaro amin’ny faritra na ny APV ; ohatra velona azo alain-tahaka ny fiainam-panahin’izy ireny na ny toe-panahiny. Tsapantsika ve izany?

 

* Ny fifampiarahabana tratry ny taona isam-paritra dia tsy maintsy isaky ny volana Janoary, atao alohan’ny fitsidihana ny APV izay ataon’ny Pretra sy ny Zoky am-panahy

 

 

 

Commentaires (2)

1. Je t'AIM 15/07/2007

Ho an'ny Antily rehetra eto amin'ny Paroasy. Mba mifanorata fa hafa ihany ny teknolojia vaovao ê!

2. daddybory 03/04/2007

Manahoana daholo tompoko!
hafatra hoany tanora ny tafaradia sy président mitondra ndry zareo
dia ahoana ihany lay sary fanamboarana lay site web tafaradia sy blog zay fa veloma daholo o!

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site