Créer un site internet

Fanamasinantena sakramenta

Vavaka ho an'ny taona natokana ho an'ny Pretra,

"Zovy no hahatohitra ny herin'ny sandrinao" Fah 11,21b

Ry Ray Masina o, miombona amin'ny vavaka nataon'i Jesoa Zanakao, ho an'ny mpianany talohan'ny nahafatesany izahay no mivavaka ho an'ny Pretranay. Misaotra Anao izahay noho ireo Pretra nomenao anay : fa Anao izy ireo ,raha niantso sy nifidy azy Ianao, ary nanamasina azy tamin'ny Teninao Fahamarinana. Hanome voninahitra ny Anaranao anie izy ireo : amin'ny vavaka fiderana asandrany any Aminao, amin'ny fampianarana sy toriteny omeny anay, amin'ny fizaràny Sakramenta anamasinany anay, amin'ny fitantany hitondra anay any Aminao, amin'ny toe-piainany mifanaraka amin'ny fiantsoana azy. Nalaina avy eo amin'ny olona izy ireo, ary mitafy nofo aman-drà, ka mety halaim-panahy na dia Pretra aza.Koa tafio ny herinao, ombao ny fahasoavanao, arovy hatrany mba tsy hisy ho very izay nomenao anay. Mangataka Aminao izahay, mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao ao amin'i Kristy Zanakao. Amen!

 

Vavaka iombonanana atao isan'andro amin'ny 8 ora alina,

arahina toko SAPILE IRAY

"MBA HIVELONA NY FAHAMARINAN'I JESOA KRISTY NY OLON-DREHETRA INDRINDRA NY MALAGASY"

"Zovy no hahatohitra ny herin'ny sandrinao" Fah 11,21b

Ry Misely Arkanjely Masina, Filoha faratampon'ny tafiky ny lanitra ô, arovy izahay miady amin'ireo zatra mpanjakazaka, sy mpanosihosy ary atidohan'ny aizin'izao tontolo izao. Avia ampio izahay olombelona, nataon'Andriamanitra hitovy endrika Aminy sy novinidiny lafo. Ianao no andrandrain'ny Fiangonana Masina, ho mpiambina sy mpiaro azy ; ianao no nanankinan'ny Tompo, ireo fanahy mitady famponjena, mba hiara-paly Aminy any an-danitra. Mitalahoa amin'Andriamanitry ny fiadanana, mba ho esoriny amin'i satana ny fahefana rehetra, anaovany sambobelona ny olona, sy anapotehany ny Fiangonana. Asandrato any amin'Ilay Avo Indrindra ny vavakay, mba harotsany aminay ny famindram-pon'Andriamanitra ; aza avelanao hihetsika intsony ny demony sy i satana ka avarino am-patorana any amin'ny hantsana mangitsokitsoka ,tsy ahafahany manangoly ny firenen-drehetra intsony. Amen!

 

 

 

 

Vavaka hasivian'andro

Fangatahina amin'Andriamanitra ny fahasoavany

Ho an'ny Firenena Malagasy

Ry Andriamanitra izay mampanantena fa izay manetry tena dia hasandratra ary izay mampianatra ny fahamarinana amin'ny maro dia hamirapiratra mandrakizay any an-danitra. Mihanta sy mitalaho Aminao izahay noho ny fahamendrehan'ny Mpanomponao Cher Frère Raphael Louis RAFIRINGA izay neken'ny Fiangonanao ny fananganana azy ho Olontsambatra noho ny fandaharanao ambony indrindra mba hampitosaka aminay tsirairay avy sy amin'ny firenenay ny vokatry ny fitahiany sy ny vavaka ataony Aminao ho anay.

Tompo ô! Arotsahy aminay rehetra mangata-bonjy Aminao noho ny fankatoavanao ny hatsaram-panahy sy ny oha-pitondran-tena mendrika nasehony sy niainany teto an-tany ny fahasoavanao.

Vahoaka tinao sy tia Anao izahay rehetra monina eto anivon'ity Nosy maminao ity, koa, midodododo manantona manoloana Anao izahay na dia tsy mendrika ny ho eto anatrehanao aza satria mpanota. Matoky ny famindram-ponao mandrakariva anefa izahay. Koa am-panetren-tena lehibe no italahoanay izany famindram-ponao izany satria mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny Tanindrazanay ankehitriny.

Ianao irery ihany no ilay andry azonay itokiana. Indreto ary izahay mivavaka Aminao mba hanjaka eto aminay nohon'ny Fihavanana Malagasy ny fandriam-pahalemana, ny fifamelan-keloka, ny fifandeferana, ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina tanteraka mba ho voninahitrao Andriamanitra Mpahary anay! Amen!

Rainay any an-danitra, Arahaba ry Maria, Voninahitra

 

 

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site