Moïse Ramilamintsoa

Localisation :
Antananarivo

Articles de stjoseph

JMJ MADA VII - Antsiranana

TOMBOLA LEHIBE

Ho fanomanana sy ho enti-miatrika ny JMJ MADA faha-VII izay hataon'ny tanoran'ny Nosy any Antsiranana, ny Fikambanana TAFIKA DON BOSCO dia mikarakara Tombola izay mety hahazoana loka maro samihafa, anisan'izany Réfrigérateur, Téléviseur couleur, amplificateur, sy loka maro samihafa...

Ny karatra fandraisan'anjara - izay 1.000 Ar -  dia azo alaina ao amin'ny sekreteran'ny Fiangonana. Ny daty fisarihana dia ny  08 Jolay 2012.

Misaotra indrindra Tompoko amin'ny fandraisana anjara!

Komity sy Vaomieran'ny faha-145 taona

logo-145.jpg"Tranon'Andriamanitra eto, varavaran'ny lanitra, ka antsoina hoe: Lapan'ny Avo indrindra"  - Jenezy 28, 17

Tafatsangana soamantsara ny Komity mpikarakara ny Jobily fankalazana ny faha-145e taonan'ny Eglizy Saint Joseph Mahamasina. Ho sokafana amin'ny fomba ofisialy ny 13 Mey 2012 izany fankalazana izany, ary hitohy mandritra ny herintaona. Hetsika maro no ho tanterahina amin'izany ary ho hitanareo miandalana eto ny andinindininy. Mangataka ny fifanomezan-tànana sy ny fanampiana avy amin'ny rehetra, na ny eto an-toerana, na ny avy any am-pielezana, indrindra ireo any ampitan-dranomasina hanatanterahana ny sahan'asa sy ho fananganana ny tsangambaton'ny Jobily.

Mandrapihaona vetivety.

Ny Mpandrindran'ny Komity

RANDRIAMPARANY Rija


FANENTANANA: RAKITRY NY TSANGAM-BATON'NY TAON-JOBILY

Ny Fanitarana, fampakarana rihana iray sy ny fanatsarana ny "Salle d'Oeuvre" no hataontsika tsangam-baton'ny Jobily faha-145 taonan'ny Fiangonantsika. Koa entanina ny isam-pianakaviana, ny isan-tokan-trano, mba handray anjara amin'izany asa fanorenana izany, satria ny tao-trano tsy efan'ny irery. Koa misy valopy asiantsika izay fointsika ho fandraisana anjara.

Toy izao ny fandaminana hamerenana ny valopy:
  1. Alahady 06 Mai 2012: Kristianina Faritra Mahamasina Avaratra sy Faritra Tsimialonjafy,
  2. Alahady 13 Mai 2012: Kristianina Faritra Ampamarinana Ankadilalana, sy Faritra Mahamasina Atsimo,
  3. Alahady 20 Mai 2012: Kristianina Faritra Andrefan'Ambohijanahary sy ireo zanaka am-pielezana ary Fikambanana Masina.
Mandritra ny Sorona Masina telo (3) no hanaovana izany.
Mahereza manao adidy ary mahavità be daholo. Dia samia ho tahian'Andriamanitra.
Ny Komity faha-145 taona,                                        Ny Pretra
RANDRIAMPARANY Rija                                          Curé RATOVOSON Fréderic

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site